4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamanay - Mamy Robinson

Mamanay

Niady mafy ny hahasoa an-janany

Mamanay

Nampandefitra ny kely ananany

     Alim-pody i bavy tamin’ny asabotsy teo

     Mama indray no tsy nahaloa-peo

     Dodona ery raha sendra misy ny manjo

     Miferin’aina miasa loha tokoa



Mamanay,

Nijaly mafy tamin’ny ditran-janany

Mamanay

Nampandefitra ny kely ananany

     Io maraina io i zoky lahy vao mody an-trano

     Mivazavaza f’efa mamomamo

     Tsy hay tenenina be famaliana aok’izany

     Mama indro lasa mitomany



Mamanay,

Tsy ho afaka am-bavako ny anarany

Mamanay,

Tsy haiko izay havaly ny fitiavany



     Andriamanitra ô tahionao ny mamanay

     Ho lava andro eo akaikinay

     Ny ditranay rehetra dia ifonana aminao

     Ho hendry izahay manomboka izao...

Partager mamanay

Commenter mamanay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mamy Robinson